Moto nifandona : olona roa niara-maty, roa hafa naratra mafy

Mpandeha moto roa maty tsy tra-drano teny amin’ny RN 44, PK 19+870, fokontany Maro­voay, kaominina Mora­nono gare, distrikan’i Mora­manga, omaly atoandro. Scooter nentina roa lahy avy any Mo­ramanga hihazo an’Ambaton­drazaka nifandona tampoka tamin’ny moto Honda. Nan­deha mafy ilay mpitondra moto scooter. Tsy voafehin’ity farany intsony ny familiana ka nifatratra tamin’io moto iray nifanohi-dalana taminy io. Nipitika ireo efa-dahy teny ambonin’ny moto roa. Vaky loha ilay nitondra ny moto Honda ary maty teo noho eo. Tsy nahatsiaro tena ny iray ka nentina namonjy hopitaly. Tsy tana noho ny ratra mafy nahazo azy koa izy.
Namoy ny ainy ny ankizi­lahy iray fito taona voafaokan’ ny taksiborosy teny amin’ny RN7, PK 241+900, tao Marom­bilahy, fokontany Tranolava, kaominina ambanivohitra Tsa­rasaotra distrika Ambositra, afakomaly. Nandeha teny amin’ ny sisin’arabe niaraka tamin’ ny renibeny io zaza io. Nan­dalo tampoka ny fiara mpitatitra. Niampita tampoka anefa ilay zaza ka voafaokan’ilay taksibrosy. Nentin’ny nanatri-maso namonjy ny hopitaly CHRR Ambositra izy. Tsy tana anefa ny ain’ity farany noho ny voina mafy nahazo azy. Nato­lotra ny fianakaviany taorian’ izay. Notanana natao fanadihadiana eo anivon’ny zandary ny mpamily ilay fiara.

Tsiferana R.

Partager sur: