Voatendry ho tale kabinetran’ny Prezidansa, Ranoromaro Lova Hasinirina, araka ny didy navoakan’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Hisolo toerana vonjimaika an’Andrianarisoa Romy, nisahana izany teo aloha ny tenany.
Hanao ny kongresy nasionaliny eny Andraharo, anio sy rahampitso, ny HVM. Ho fantatra eo ny ho kandidà hatolotry ny antoko amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Ampoizina ho ny filoha teo aloha sady filoha mpanorina, Rajaonarimampianina Hery, izany.
Nigadona omaly, ny filohan’i Maorisy, Prithvirajsing Roopun sy ny filohan’i Seychelles, Wavel Ramkalawan. Anisan’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta hiatrika ny lalaon’ny Nosy (JIOI), indrindra ny lanonam-panokafana, hatao anio, izy ireo, ankoatra ireo delegasiona hafa, mbola ho avy.
Notolorana mari-boninahitra, ny talen’ny biraon’ireo firenena eo anivon ‘ny OIT, misahana an’i Madagasikara, i Kaomoro, ny Nosy Maorisy ary i Seychelles, i Coffi Dominique Agossou. Natao tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy izany. Nasondrotra ho «Chevalier de l’Ordre National» izy.