Antsiranana no manana ny taham-pahafahana ambony indrindra tamin’ny sampana teknika ho an’ny bakalorea 2023. Nahatratra 89,68% izany ho an’ity taona ity. Fianarantsoa kosa no manana ny taha ambany indrindra: 56,08%, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa.
Hisy atrikasa momba ny fahakivian-tsaina tanteraka, karakarain’ny fikambanana Psy-kôzy Madagasikara sy ny departemanta Psychologie Sociale et Interculturelle de l’université d’Antananarivo, ny sabotsy 2 septambra ho avy izao. Eny Ankatso ao amin’ny efitrano APF2 no hanaovana ny fizarana. Tanjona ny hikarakarana ny fahasalaman’ny saina izay lasa atao ankilabao matetika.
Mbola misokatra hatramin’ny 11 septambra ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanana hidirana taona voalohany, eto amin’ny sekolim-panjakana ambony “Ecole de Management et de l’innovation technologique (EMIT)”. Efa nandray anjara tamin’ny hairanty samihafa teto an-drenivohitra ny sekoly hampahafantarana ny lalam-piofanana misy ao aminy.
Efa nidina ny vidin’ny legioma eny amin’ny tsenan’ny mpaninjara isam-pokontany. 1200 Ar ny kilaon’ny karaoty, 2200 Ar ny ovy arakaraky ny karazany sy ny habeny. 2000 Ar ny choux-fleur iray lehibe ary mitovy amin’izay koa ny brocolis. Ny henan’omby no nahitana fiakarany satria 19 000 Ar ny totonkena na nofonkena 1 kilao.