Nampitandrina ireo manampahefana eny ifotony ny kandidà Andrianainarivelo Hajo. “Tokony hanara-dalàna ny prefet sy ny sefo distrika eo am-panatanterahana ny asany fa tsy hanao tsindry sy ramatahora”, hoy izy tany Fandriana. Nitarika fivoriana narahina adihevitra niarahan’ny MMM sy ireo vahoaka ny tenany tamin’izany. Tsy nahasakana ny kandidà ho filoham-pirenena Andrianainarivelo Hajo tsy ho tonga tao amin’ny distrikan’ny Fandriana ny sakantsakana nataon’ireo mpitantana any an-toerana. Nohitsiny fa ilaina apetraka ny fanjakana manampy ny vahoaka. Mpiasam-panjakana hanompo vahoaka. Tokony hiara-kiasa amin’ny vahoaka ny olom-boafidy sy olom-boatendry ho fampandrosoana ny firenena miainga eny ifotony, fa tsy tahaka ny zava-misy ankehitriny. “Anisan’ny mampihemotra antsika ny tsy fisian’ny fitsinjaram-pahefana sy ny endrika fandikan-dalàna samihafa io”, hoy ihany izy.
Nampitaraina ny vahoaka ny tsy fahatanterahan’ny fampananten’ny filoha Rajoelina amin’ny hanamboarana ny lalam-pirenena faha-41, Ikelikapona-Fandriana, araka ny nambaran’ny ben’ny Tanànan’Imito. Misedra olana ny mponina, araka izany, eo amin’ny famoaham-bokatra… Maro ireo marary mila fitsaboana maika no maty eny an-dalana, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra.
Synèse R.