Resaka nandeha nanomboka omaly, teny amin’ny tambajotran-tserasera, ny mahakasika ny taranja karate, amin’ity lalaon’ny Nosy ity. Ho fandravonana ny olana misy, nanao fanambarana niraisana, omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny eo anivon’ny Komity olympika Malagasy sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nambaran’ izy ireo fa ho tombontsoan’ny firenena, afaka mandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy ihany ny taranja karate. Tsy maintsy ovaina kosa anefa ny atleta mandrafitra ny ekipam-pirenena. Tsy tafiditra tao anatin’ny lisitra manko ireo namiratra tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika. Nanamafy ihany koa, na ny KOM na ny MJS, fa tsy maintsy manaraka ny dingana sy rafitra ny taranja karate aorian’ny lalaon’ny Nosy. Nisy mihitsy ny fifanekena nataon’ny MJS tamin’ny KOM mba hitsinjovana ireo atleta malagasy. “Accréditation” vonjimaika fotsiny no omena azy ireo amin’ity lalaon’ny Nosy ity.
Mi.Raz