Praiminisitra Ntsay Christian : “Andraikitry ny rehetra ny fanadiovana”

“Manao antso avo ho an’ny Malagasy rehetra sy ho an’ny tomponandraikitra rehetra aho mba handray ihany koa ny andraikitra tandrify azy avy. Satria adidy ny fanadiovana ny tanàna”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fitarihana sy fifanomezan-tanana ny mponina teny amin’ny fokontany Fiadanana, omaly. Tsy adidin’ny kaominina na ny minisitera ihany izay fanadiovana ny tanàna izay, fa adidin’ny rehetra. Mahasoa ny firenena ny asa fanadiovana, ka manana andraikitra amin’izany ny rehetra.
Nisy koa ny fivorian’ny Etat-major mixte opérationel national (Emmo/Nat), teny Ankadilalana, afakomaly. Nitarika izany ny Praiminisitra amin’ny maha lehiben’ny Organe mixte de conception national (OMC/Nat) azy. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka ary ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.

R. Nd.

Partager sur: