Tsy ampy fototra iaingana: mila mahay tantara ny Malagasy

Nandalo vanim-potoana lehibe maro i Madagasi­kara sy ny Malagasy. Mbola manako amin’ny ankehitriny izy ireny. Tao ny namelatra holatra fa nisy ihany koa ireo sarotsaro-pantarina ihany ny tena zava-nitranga marina. Tantara avokoa izany… Mila hay sy fantatra !

Ny ankamaroan’ny tantaran’i Madagasikara, vahiny no nanoratra azy. Ny ankabeazany, voatahiry any ivelany. Nanoratra ihany ny Malagasy, saingy, na ny hanapariahana ny boky mirakitra azy ireny aza, mbola tena sarotra. Nanoratra ny tantaran’i Madagasikara sy ny Malagasy ry zareo vahiny, satria, ilainy ho an’ny fiarovana ny tombontsoany. Tao ireo navily. Nisy ny lainga marivo tototra. Tsy vitsy ny nodisoina ankitsirano, sns.
Mbola ry zareo vahiny ihany anefa no nandrafitra ny fandaharam-pianarana eto Madagasikara. Nampidiriny ny tantarany. Ny momba azy manontolo. Ireny no nasaina nataon’ny zanaka Malagasy tsianjery sy sakafon-tsaina isanandro any an-tsekoly. 63 taona aty aorian’ny nanambarana fa mahaleo tena i Madagasikara, mbola ny omaly tsy niova ny zava-manjo ny tontolon’ny fampianarana. Vao mainka aza nolaroina korontana. Novolena politika…
Miala tsikelikely amin’ny Malagasy ny momba azy manontolo. Very ny fototra hany ka mitsingilaila ny ankamaroan’ny fahalalana. Ny kely sy hany mba fantatra, na diso na mampisalasala ny fahamarinany…

Ny tahaka itony no fakan-tahaka
Raha samy firenena, miavaka amin’ny fametrahana an-karihary ny tantara nisy tao aminy i Italia. Fatratra kosa ry zareo Sinoa raha hampita amin’ny taranany ny momba azy. Ny olona tia sy mankamamy tantara, saika mitodi-doha ao Italia avokoa. Raha, oharina, amin’ny rafi-pitantanana eto Madagasikara, misy karazana « Firaisam-pokontany », any an-toerana. Tafi­ditra ao anatin’ny asa aman’andraikitra sahanin’ireny « Fi­raisam-pokontany » (na kaominina) ireny ny mametraka sy manoratra amin’ny alalan’ny takelaka na fafana lehibe ny tantara rehetra niseho teo amin’izany toerana izany. Amin’ny toerana talaky maso no hametrahana ireny takelaka ireny. Tafiditra ao anatin’ny takelaka ny tantara, ny momba ireo « olo-malaza » (mpanoratra, mpahay tantara, mpanao hosodoko, mpitantana…)…
Ny any Chine, vao mahay mihaino ny zaza, hampahafantarina azy tsikelikely ny momba azy rehetra. Anisan’izany ny tantarany, ny tanindrazany, ny razana nipoirany, ny kolontsainy, ny teniny, ny finoany, sns.
Anisan’ny antony mampihisatra ny fandrosoan’ny firenena iray ny tsy fahalalan’ny mponina ao aminy ny tantarany !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: