Mihazakazakabe ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Tsy mahasakana ny afo manodidina ny politika tsy hirehatra ny lalaon’ny Nosy, izay hanomboka anio. Samy mitondra ny lohany ilay Malagasy. Manao izay mahametimety azy manokana. Tsy mizaha ilay tombontsoa iarahan’ny besinimaro intsony. Voazarazaran’ny «ahy aloha» vao ny hafa. Mahatonga saina ny zava-miseho.
Manoloana izany, velomina ny lakolosy fanairana ny atifanahin’ny isam-batan’olona mba samy hahay hanavaka ny vary amin’ny tsiparifary. Sanatrian-dresaka hivadika tantara ratsy ho an’ny firenena ny zava-misy etsy sy eroa. Firenena mendrika i Madagasikara sy ny vahoaka ao aminy. Tsy misy hahazo tombony amin’ny herisetra. Tsy fotoan’ny fifampihantsiana izao. Vanim-potoana ilana fahamailoan’ny Malagasy tsy an-kanavaka mba tsy hijabaka.
Mila mitandrina ny sarambabem-bahoaka, hialana amin’ny kilalao maloton’ny mpanao politika. Fotoana tokony hampisehoan’ny Malagasy ny firaisan-kina izao. Mahafinaritra ny mahita ilay fiaraha-mientana nanadio tanàna, omaly. Tena izay nolalovana rehetra dia nadio aoka izany. Nampilamin-tsaina sy maha te-honina tanteraka ilay renivohitra. Hita taratra fa afaka manao zavatra ny Malagasy rehefa tena hanao.
Hanomboka ny lalaon’ny Nosy ! 10 andro hangotrahan’ny fifaninanana ara-panatanjahantena. Mba hangotrangotraka tahaka izany ny afom-pitiavan-tanindrazana any anatin’ny Malagasy tsivakivolo. Tsy hitafy henatra ilay firenena. Entanina ny rehetra mba samy ho mailo amin’ny fiparitahan’ny vaovao diso etsy sy eroa. Indrindra ny fandrangitana ataon’ireo sadasada fanahy kanefa dia milaza fa hitantana firenena sy tia tanindrazana.
Mba tsy ho valalan’amboa e! Ireo gazety vahiny sy ny fahitalavitra aty amin’ny ranomasimbe Indiana aza miezaka ny mivoy vaovao mahafinaritra momba ny lalao sy
i Madagasikara.
r.r