Mitsangana ny orinasam-panjakana hitantana ny zotra an-dalamby an-tanàn-dehibe, na ny «Société d’exploitation du Train urbain» (SETU). Mitentina 100 000 000 Ar ny renivolan’ny orinasa, ka an’ny fanjakana malagasy ny 75%, ary an’ny kaominina, CUA, ny 25%. Tokony ho efa nandeha tamin’ny tapaky ny volana teo ity zotra an-dalamby ity.
Voatendry ho tale jeneraly vaovao hitantana ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (ONE), Rabemanantsoa Michel Marie Jocelyn, handimby an-dRakotoson Rija Herisolo, izay naato tamin’ny asany, ny volana mey 2023 teo. Taorian’ny vaovao mahakasika ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ho an’ny arabe migodana Antananarivo – Toamasina, no nampiatoana azy tamin’ny toerany.
Mitentina 17 500 645 058,75 Ar no naroson’ny orinasa nahazo ny tolobidy amin’ny fanamboarana lalana tara ho an’ny tanàna vaovao Tanamasoandro. Tetikasa eo ambany fiahian’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.
Nofoanana ny fanafarana “lubrifiants” ataon’ny orinasa Vima oil et Gas (VOG). Mifampiankina amin’ny fahafahana mitrandraka, eo andalam-pangatahana fahazoan-dalana, ny fahombiazan’ity orinasa ity. Tafiditra ao anatin’izany fahazoan-dalana manafatra akoran’afo, mitatitra, mitsinjara ny “produits aviation” sy ny “carburant-combustible”.