Amin’izao JIOI izao : miantso fiatoana politika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena

“Manao ny lalaon’ny Nosy isika amin’izao fotoana izao. Manainga ny rehetra mba hajanony aloha re ny disadisa rehetra izay azo ajanona”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakoto­arijaona Josoa, taorian’ny nandraisany ny ambasadaoron’i Torokia, teny Ampahibe, afakomaly. Fitaratra iray ngezabe ny lalaon’ny Nosy itarafan’ny olona an’i Madagasi­kara sy ny vahoaka malagasy. Voninahitra ho an’ny rehetra izany, na inona na inona firehana misy ny tsirairay. Man­gataka fiatoana politika amin’ izao lalaon’ny Nosy izao izy mba ho voninahitr’i Mada­gasikara sy ny vahoaka mala­gasy. “Ajanony re ny adilahy politika, fa izay mahasoa ny firenena amin’izao lalaon’ny Nosy izao, izay andro vitsivitsy fotsiny”, hoy ny fangatahany.
“Tsy fanajan-dalàna ireny, ary tsy fanajana ny vahoaka malagasy sy ny fiandrianam-pirenena. Indrindra fanaovana tsinontsinona ny Tafika eto an-toerana…”, hoy kosa izy momba ny fisian’ny mpianatry ny oniversite nilanja sainam-pirenena vahiny teny Ankatso, tamin’ny hetsi-pitakiana na­taon-dry zareo. Tena tsy azo ekena ary mamoafady ny toy ireny. Tany sy fanjakana tan-dalàna sy mahaleo tena i Madagasikara. “Aoka tsy ho­raviravezan’ny zavatra hafa isika, indrindra ny tanora. Antsika mianakavy i Mada­gasikara”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: