Anisan’ny mampiavaka ny andiany fahasivy ho mpamory vola zokiny nivoaka teny amin’ny Imatep, ny nisantarana ny taranja hiadiana amin’ny kolikoly. Ambony be koa ny haavon’ny fari-pahalalan’izy ireo.
Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly 25 aogositra, ireo 26 mianadahy, mpamory vola zokiny, andiany faha-9. Niofana nandritra ny herintaona tao amin’ ny Ivontoerana malagasy momba ny teti-pivoarana (Imatep) izy ireo. Miisa 23 ny taranja noratovina, toy ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny tsenambarom-panjakana, ny matematika, sns. Notsipihin’ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana (DGT), Ranjalahy Ihanja, fa « ity andiany faha-9 ity no voalohany nisantatra ny fianarana ny taranja ady amin’ny kolikoly. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Imatep, ny Bianco ary ny Tahirimbolam-panjakana », natao sonia ny desambra 2022. Mifanaraka amin’ny teny filamatry ny Tahirimbolam-panjakana rahateo izany, ao anatin’ny faha-60 taona nisiany, manao hoe « Tahirimbolam-panjakana mivoatra, miasa mahitsy ao anatin’ny mangarahara, lavitry ny kolikoly ».
Andiany sangany indrindra
Mendrika ity andiany ity satria miisa 26 mianadahy no nahomby tamin’ny fifaninanana nidirana tamin’ny mpiadina 3 600. Nomarihin’ny DGT fa tena miavaka ity andiany ity, satria izy ireo no anisan’ny sangany indrindra, nivoaka teo amin’ny Imatep. Hanamarinana izany, nahazo ny naoty tena tsara « très bien » 17/20 ny matoa (major), Rtoa Rojoharivezo Onjanantenaina. Nahazo ny « bien » ny 17 tamin’ izy ireo, ary « assez bien » ny 7. Nilaza ny tale jeneralin’ny Imatep, Ramarokoto Fenosoa Emile, fa mendrika ny mari-pahaizany isalorany ity andiany faha-9 ity, sady mendrika amin’ny andraikitra ho sahaniny ihany koa.
Hiasa any amin’ny sampandraharahan’ny Tahirimbolam-panjakana manerana ny Nosy izy 26 mianadahy ireo.
Njaka Andriantefiarinesy