Nandefa taratasy ho an’ny filohan’ny Vondrona parlemantera IRD, miara-dia amin’ny fitondrana ny solombavambahoaka voafidy tany Ampanihy Andrefana, Keron Idealson. Nambarany tamin’izany fa narosony izao fametraham-pialana amin’ ny maha mpikambana azy feno eo anivon’io vondrona io amin’ ny fizakany ny fahalalahana ananan’ny depiote. “Araka izany, miverina ho solombavambahoaka tsy miankina amin’ny parlemantera intsony ny tenako manomboka, anio (24 aogositra) ary malalaka amin’ny firehana politika hosafidiko”, hoy izy tamin’izany taratasy izany. Samy nampitany izany ny filohan’ ny Antenimierampirenena sy ny eo anivon’ny birao politika.
Tsiahivina fa anisan’ny nandao ny IRD, nirotsaka hofidina ho filoham-pirenena koa ny depiote Razafintsiandraofa Brunelle. Tombanana hanara-dia ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny kosa i Keron Idealson.
Synèse R.