Basikety: hidona amin’ny Ankoay i Maurice

Anisan’ny taranja hiaka-tsehatra, anio, ny basikety lalao­vin’olona 5, izay hatao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahan­tena Mahamasina. Fantatra taorian’ny fivoriana ara-teknika fa ny ekipan’i Maurice no hifanandrina voalohany amin’i Madagasikara, eo amin’ny sokajy vehivavy, raha toa ka ry zareo Renioney kosa no hidona voalohany amin’ny Ankoay lehilahy. Tsiahivina, ao amin’ny vondrona A, miaraka amin’ny La Réunion sy Comores, no misy ny ekipa lehilahy malagasy. Miaraka amin’i Comores, Mayotte ary Maurice ao amin’ny vondrona A kosa ny ekipa vehivavy, amin’ity lalaon’ny Nosy ity. Rahampitso alahady kosa no hanomboka ny fifaninanana ho an’ny taranja basikety lalaovin’olona 3, izay hatao eny amin’ny kianjan’ny basikety Barea Mahamasina.

Mi.Raz

Partager sur: