Niraradraraka ny fanambarana sy fanamelohana ny fihetsiky ny mpitandro filaminana, nandrava ny hetsiky ny mpianatra, nanao fitakiana teny Ankatso, afakomaly. Nanameloka tanteraka ny herisetra ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa tokony hahay hifehy tena ny mpitandro filaminana, na mafy aza ny tsindry mahazo azy noho ny baiko midina na inona na inona antony. “Sao ho sahirana eto isika satria efa hita mibaribary ny fanitsakitsahana ny zo fototra haneho hevitra ho an’ny olom-pirenena rehetra, ankoatra ny mpanohana ny fitondrana”, hoy izy. Nanteriny hatrany ny teny fanevany amin’ny maha kandidà azy : “Sahy isika, maika hanorina ny ampitso”.
Nanambara ny efa niezaka ny tsy hiresaka politika kosa ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Durlin Retogniane. Tokony hatramin’ny 2 septambra, fiafaran’ny lalaon’ny Nosy izany fahanginany izany raha ny tokony ho izy. Tsy afaka ny hangina anefa ny tenany, manoloana izao fihetsika nampiharina amin’ny mpianatra nitaky ny hianarana sy ny vatsim-pianarana izao. Tahaka izany koa ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, tany Ambalavao. “Manameloka tanteraka ny fikasihan-tanana natao tamin’ny mpianatra mitaky ny zony sy ny fampiasan-kery atao amin’ny Malagasy maneho hevitra ny tenako”, hoy izy.
Tsiahivina fa miisa 8 ireo mpianatra voasambotra ary zandary iray naratra. Lasan’ny Emmo/Reg koa ny fanamafisam-peon’ny mpianatra fampiasa any am-pianarana.
Synèse R.