Fihariana ronono : mbola ambany ny famokarana

100 tapitrisa litatra isan-taona ny vokatra ronono eto Madagasikara. Vinavinaina hampiakarina ho 145 l noho ny filàna. Mbola ambany ihany koa ny ronono azo amin’ny ankamaroan’ny ombivavy satria mbola 8 l isan’andro izany raha tokony ho 15 ka hatramin’ny 20 l. Ho fanohanana sy fampiakarana ny lentan’ny famokarana, nisy ny fampitaovana natao an’ireo mpisehatra ronona tao Antanikatsaka Analavory, faritra Itasy, afakomaly. Nozaraina bidon 140 ireo mpiompy ombivavy beronono, kit 1 ho an’ny fampanarahana entin-tanana. Nomena lahin’omby 4 nohatsaraina ny fikambanan’ny mpiompy ary fanarahana ny fananahan’ny ombivavy miisa dimy. Tafiditra ao anatin’ireo ny fanasivanana miisa 10 sy angadin’omby 10 hafa ho an’ny mpamokara masomboly, bisikleta 19 sy ny maro hafa. Tosika avy amin’ny Malagasy dairy board (MDB), amin’ny alalan’ny tetikasa Profilait, izay vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola, fiaraha-miasa amin’ny AFAFI-CENTRE, ary eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Tanjona ny hahatonga ireo mpisehatra ho matihanina ka hahavokatra ronono tsara kalitao sy betsaka, izay eken’ny fenitra ara-pahasalamana sy eo anivon’ny tsena, miantomboka any amin’ny famokarana, ny fanodinana ary ny famarotana.

Henintsoa H.

Partager sur: