Filoha Rajoelina Andry : miantso fitoniana sy firaisankina!

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tanterahina eto amintsika ny filoha Andry Rajoelina, omaly, tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina. Niantso firaisankina ny tenany.

«Tsy maintsy mandresy rehefa miray hina… Efa betsaka ny lalaon’ny Nosy fa tamin’ity indray mandeha ity no natrehin’ny filoham-pirenena miisa telo, tarihin’ny filohan’i Kao­moro sady filohan’ny Von­drona Afrikanina (UA). Eo koa ny filohan’i Maorisy sy i Seychelles», hoy izy. Teo koa ny nanentanany ny rehetra ho amin’ny fitoniana. Samy nankasitrahany amin’ny fanotronana sy fanomezam-boninahitra izao fifaninanana izao ireo mpitondra sy mpitantana ambony amin’ireo firenena eo anivon’ny ranomasimbe In­dianina. Niarahaba sy nitsodrano ireo atleta malagasy indray ny filohan’ny Repoblika avy eo mba ho voalohany amin’izao fifaninanana izao.

Fahanginana iray minitra

Etsy andaniny, notsiahiviny fa nohalehibeazina ny kianjan’i Barea, Mahamasina nefa mbola maro ireo tsy tafiditra ka tavela tany ivelany. Nanteriny fa nisy tranga nampalahelo ka maro ny naratra sy maty. Nangatahany iray minitra fahanginana ho an’ny rehetra izany amin’izao namoizana aina teo am-pidirana ny kianja izao. « Ho lasan’izay ny ratsy rehetra », hoy ihany izy. Nohitsiny anefa fa mila mandray andraikitra ny tomponandraikitra rehetra, tsy hisehoan’ny tranga tahaka ireny intsony. “Aoka hotanterahina ao anaty fifanajana sy fitsipika ny fihetsika rehetra andraisana izao lalao izao ary hotohizana hatramin’ny farany izany”, hoy ihany izy.

Tsiahivina fa naseho tamin’ny alalan’ny hetsika ny tantaram-pirenena. Ny ezaka sy ny zava-bitan’ny fitondram-panjakana ary koa ny fanehoana ny kolontsaina sy ny zavakanto mampiavaka antsika.

Synèse R.

Partager sur: