Hosodoko : Tafaverina indray ny fampirantiana « Hosotra »

Tanterahina eny amin’ny Colline-Maison sociale des arts, Ambatovinaky, ny fampirantiana « Hosotra ». Hetsika tsy hifarana raha tsy ny 7 septambra 2023. Fampirantiana hanehoana ireo asa tanana sy haikanto vita amin’ny plastika. Mpahay kanto eo amin’io sehatra io miisa 36 no mampiranty ny asa tanany eny an-toerana. Mandrafitra izany ireo mpahay kanto manana ny maha izy azy. Eo ihany koa ireo talenta vao misandratra. Hita eny an-toerana ihany koa ny haikanto miavaka sy aingam-panahy manokan’ny mpahay kanto tsirairay.
Raha tsiahivina, ny taona 1997 no nisian’ny fampirantiana voalohany, ary maro ireo mpankafy hosodoko no tonga teny amin’ny Esplanade Analakely, mankafy ny asa tanan’ireo mpahay kanto. Nanomboka ny taona 2009 anefa no tsy hita intsony ity hetsika manana ny maha izy azy eo amin’ny hosodoko ity. 14 taona aty aorina no tafaverina indray ny hetsika ary eny amin’ny Colline-Maison sociale des Arts Ambatovinaky, izay toerana azy ireo manokana, no hanaovana ny hetsika.
Na eo aza anefa izany, mbola tazana eny an-toerana ireo mpahay kanto nanamarika ny fampirantiana tamin’izany. Anisan’izany i Michel Randriasy Fulgence.

Lin

Partager sur: