Karazan-javamananaina : mirindra ny fampivadiana azy amin’ny fambolena

Tsara ny tombana tamin’ ny fampidirana ny karazan-javamananaina eo amin’ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra avy amin’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana, ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ary ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Nisy ny atrikasa nahafahan’ireo mpi­antsehatra fototra nanamafy ny traikefany momba ny foto-kevitra, natao tetsy amin’ny Carlton, afakomaly. Tafiditra ao anatin’ny zana-pandaharanasa ny fampidirana ny karazan-javamananaina eo amin’ ny sehatry ny fambolena. Ma­nampy amin’ny fitadiavana vahaolana manoloana ny fahapotehan’ny tontolo iainana izy ity. Tanjona ny hanomezan-danja ny karazan-javamananaina amin’ny fomba mirindra ny eo amin’ny lafiny politika sy teknika ary ny sehatry ny fambolena. “Natao ity atrikasa ity hampahatsiahivana ny mpi­antsehatra rehetra ny anjara andraikitry ny tsirairay hitan­tana maharitra ny zava-boahary noho ny fiovaovan’ny toetr’ andro”, hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert.

Nahafahana namaritra fanamby sy ireo tokony mbola hohatsaraina ny fihaonana. Samy nandroso soso-kevitra ho an’ny politika nasionaly sy ny paikadim-pirenena manaja ny tontolo iainana sy ny zava-boahary ny mpisehatra samihafa. Manana anjara toerana lehibe eto Afrika sy maneran-tany ny karazan-javamana­naina eto Madagasikara.

Henintsoa Hani

Partager sur: