Ravan’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Itaosy ny tambajotran-jiolahy mpangalatra moto sady mpanao fanafihana Cash point. Dimy lahy ireto tambajotra mpanafika sy mpamaky trano ireto ka efa naiditra am-ponja vonjimaika avokoa rehefa avy natolotra ny fampanoavana, afakomaly. Nitrangana vaky trano teny Ambohidrapeto, ny volana febroary 2023 lasa teo. Tsy tao an-trano ny tompon-trano tamin’io fotoana io. Nanao fikarohana ny zandary ka jiolahy iray tratra. Niainga avy amin’io jiolahy tratra io indray no nahafahana nisambotra ireo namany. Nilaza izy ireo nandritra ny famotoran’ny zandary fa efa mpanao fanafihana Cash point eny Ambaniala Itaosy sy ny manodidina iny. Teo koa ny fanafihana mpandraharaha iray teo amin’ny kinininabe, ny volana jolay lasa teo. Izy ireo koa no tompon’antoka tamin’ny fanafihana tranombarotra iray eo amin’ny kinininabe, ny 15 aogositra farany teo. Tsy tao an-trano ny tompony ka nohararaotin’ireo mpangalatra. Mbola tratra tao an-tranon’ireo jiolahy ny entana halatra maro samihafa tao amin’ity tranombarotra ity. Nanondro jiolahy dimy hafa namany ry zalahy tamin’ny famotoran’ny zandary. Ankoatra izay, misy olona mpiray tendro amin’izy ireo mandray ny entana halatra.
Jean Claude