Minisitry ny Fitsarana : “Tena mahazo mirotsa-kofidina ny filoha Rajoelina”

Naneho ny heviny momba ny adihevitra ny amin’ny tsy fananan’ny filoha Rajoelina Andry zom-pirenena Malagasy ny minisitry ny Fitsarana.

“Tena mahazo mirotsa-kofidina izy. Efa betsaka ny fanazavana sy fandraisam-pitenenana momba an’izay. Tsy mbola nisy ny didim-panjakana ma­nafoana ny fizakany zom-pirenena maha Malagasy azy.” Io indray no fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Randriama­nan­tenasoa Landy Mbola­tiana, afakomaly, ny amin’ny mbola fisian’ny adihevitra ny amin’ny hoe tsy fananan’ny filohan’ny Repoblika zom-pirenena malagasy izany ka tsy hahazoany mirotsa-kofidina intsony. Ta­min’ny hetsika fanadiovana ny ampahan’ny lalana Rocade Iarivo, Ambohima­hi­tsy, amin’izao fampiantranoan’ i Mada­gasikara ny JIOI izao, no nilazan’ny minisitra izany.
Valin-teny tsy amim-piham­bahambana no ilazana hoe: manan-jo hirotsa-kofidina izy. Raha ny dingana sy ny fombafomba arahina momba ny fahafoanan’ny fizakana zom-pirenena malagasy izay, tsy maintsy misy fangatahana atao mialoha. Ialohavan’ny fankatoavan’ny governemanta izany. Izay vao misy ny fanafoanana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy. Tsy mihatra avy hatrany ny fahaverezan’ ny zom-pirenena malagasy, na eo aza ny fangatahana fiza­kana zom-pirenena hafa. Fa­nam­pin’izany, manankery mane­rana ny tanin’ny Repo­blikan’i Madagasikara ny didy avoa­kan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC).
“Efa adihevitra lany andro ny fanontaniana miverina hoe: mahazo mirotsa-kofidina sa tsia ny filohan’ny Repoblika? Efa tsy any intsony izao, fa efa tokony ho zavatra hafa indray izao no anontaniana”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: