Nanao tohivakana ny fanambaran’ireo mpanao politika taorian’ny tranga niseho tetsy Mahamasina ka nahafatesana olona am-polony sy naharatrana an-jatony. Anisan’ny nanao izany ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nirary fiononana ho an’ny fianakavian’ireo nodimandry ary nirary fahasitranana ho an’ireo naratra. Naneho alahelo amin’ny zava-nitranga koa ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. “Tena mampalahelo ny zava-mitranga… Mirary fiononana feno sy fankaherezana ho an’ireo fianakaviana namoy havana, ary mirary fahasitranana haingana ho an’ireo naratra”, hoy izy.
Nahitsy kosa ny sekretera jeneralin’ny antoko Tim, Randriamasinoro Riana niditra mivantana tao amin’ny radio tsy miankina, iray, ankoatra ny teny fampiononana sy firariana fahasitranana ho an’ireo naratra. “Mankahery anareo mpitsabo izahay… Tsy azo ekena ary tsy vitan’ny hoe ho lasan’izay ny ratsy rehetra ireny fa azo natao tsara ny nisorohana ny loza tsy hitranga”, hoy izy.
Synèse R.