Nilamina tanteraka ny teny Ankatso omaly, taorian’ny fitokonana nataon’ny mpianatra afakomaly, raha ny zava-nisy teny an-toerana. Nanao fanambarana ny fikambanan’ny mpianatra omaly fa miato ao anatin’ny fotoana tsy voafetra (herinandro) ny fitokonana. Manara-maso ny famahana ny olan’ny fampianarana eny amin’ny oniversite Ankatso izy ireo, araka ny fanambarana. Ankoatra izay, nanameloka tanteraka ny fikasihan-tanana nataon’ireo mpitandro ny filaminana tamin’ireo mpianatra nandritra izany izy ireo, raha ny fanambarana hatrany. “Lasa hery famoretana ny mpitandro ny filaminana, zanakareo izahay fa tsy dahalo”, hoy izy ireo. Nilaza izy ireo fa tsy mitsinjo ny mpianatra ny filohan’ny oniversite an’Antananarivo. Noho ny famitahana natao tamin’izy ireo tamin’ny fanesorana ny “franchise”. Marihina fa efa navoakan’ny mpitandro ny filaminana moa ireo mpianatra valo voasambotra nandritra ny fitokonana ny alakamisy teo. Niverina eny anivon’ny fianakaviany izy ireo taorian’ny fanadihadiana natao azy ireo. Hiverina hitokona indray izy ireo raha mbola mitohy ny oniversite maty eny an-toerana
.
Mino