« Slam nationale 14 »: hifaninana ny ao Antsiranana

Tanterahina anio, ao amin’ny Alliance française Antsira­nana, ny fifantenana izay hisolo tena ny tanànan’Antsiranana ho amin’ny “Slam nationale 14, 2023”, eto Antananarivo. Mpifaninana roa no andrasana ho avoakan’ity fifaninanana anio ity. Mpandray anjara roa ambin’ny folo, amin’ny roapolo izao no efa fantatra. Tsy miova ny fepetra sy ny fitsipika fandraisana anjara ary efa ao anatin’ny fahavononana tanteraka ny mpikambana ao anatin’ny SlamSuaré, hiatrika ny fifantenana. Andro lehibe, ho an’ny mpiangaly Slam-Poésie ao Antsiranana, mivondrona ao anatin’ny SlamSuaré, ny andro anio. Ho fantatra amin’io mantsy ny solontenan’ny SuaréSlam, hiatrika ny “Slam nationale 14”. Fiodinana roa no atao mandritra izany, tokony hanana lahatsoratra iray avy atao mandritra izany ny mpandray anjara. Tokony tsy hihoatran’ny 3 minitra sy 15 segondra ny faharetan’ny fanaovana azy an-tsehatra mba tsy hahavoasazy ny mpifaninana. Miavaka kely kosa ity an’ny SlamSuaré ity satria afaka mitondra tohana toy ny finday ny mpiantsehatra. Manana tanjona ny ho anisan’ireo voasoratra ao anatin’ny tantaran’ny Slam Malagasy ny mpiangaly Slam eto Antsiranana, na ny fifaninana ho an’olon-tokana izany, na ny isan-tanàna. Samy efa niomana fatratra ny tanàna hifaninana amin’ny Slam nationale, tamin’ny alalan’ny fanaovana fifaninanana samihafa sy atrikasa ary fifampizarana teo amin’ny samy mpiangaly Slam. Taratra sahady, araka izany, ny haavo teknika sy ny kalitaon’ny “Slam nationale 14”, atao eto Antananarivo, ny 21 septambra 2023 hatramin’ny 30 Septambra 2023.

Lin

Partager sur: