Hanomboka anio, eny amin’ny Gymnase Ankatso ny fifaninanana taranja volley ho an’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Vonona ny handray lalao amin’izany ny “Gymnase” Ankatso. Araka ny fanadihadiana natao ny alarobia lasa teo, teny an-toerana, miisa 500 ny isan’ny seza ary natao plastika manara-penitra izany. Novaina ho “béton” ny kianja filalaovana. Ankoatra izay, nasiana vavahadibe fidirana ny eny an-toerana. Misy efi-trano fiomanana “vestiaire” roa, natao ho an’ny lehilahy
sy vehivavy ao anatin’izany. Marihina fa misy rano sy jiro, ary toeram-pidiovana sy fivoahana “toilettes” avy ireo “vestiaires” ireo.
Ny eny ivelany, nasiana haingony toy ny hazo coco ary fitaratra mateza. Tsiahivina fa teo aloha ity kianja ity, tsy misy jiro sy rano. Tsara ny mampahafantatra fa ny lalao fifanintsanana isam-bondrona ihany no atao ao Ankatso fa ny manasa-dalana sy ny famaranana atao eny Mahamasina.
Nampiova ny Gymnase Ankatso ny lalaon’ny Nosy.