Tsy fandraisan-karama : mitokona ireo mpiasa eo anivon’ny Cnapmad

Nitokona ireo mpiasa 70 tsy mbola mpiasam-panjakana eo anivon’ny Cnapmad Ankorondrano nanomboka omaly. Nampahafantatra izany tamin ‘ny mpanao gazety teny an-toerana izy ireo omaly. Tsy nandray karama nandritra ny 2 volana izy ireo, ka anton’ny fitokonana. “Miantso ny filoham-pirenena hijery ny zava-misy sy hamaha ny olana mahazo anay izahay”, hoy Ramahavonjy Jean Ludovic, personnel eo anivon’ny Cnapmad, service B O. Mangataka ny horaisina ho mpiasam-panjakana ihany koa izy ireo mba hialana amin’ny olana lava toy izao. “Miasa ary mendrika ny handray karama toy ny olon-drehetra izahay satria misy fiantrainkany eo amin’ny fiainanay izany (tsy misy andoavana saram-pidiran’ny mpianatra, sakafo, hofan-trano…)”, hoy i Mandresy Gondisy, miasa eo amin’ny imprimerie. Niasa naharitra, manodidina ny 10 taona, teo anivon’ny orinasa izy ireo, raha ny fanazavana. Marihina fa orinasa miandraikitra ny taratasim-panadinana sy ny fitaovana enti-mampianatra eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izy ireo. Andrasana ny mety ho tohin’ny hetsika.

Mino

Partager sur: