Nandray ny masoivohon’i Torokia miasa sy monina eto Madagasikara, Ishak Ebrar Çubukçu, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly, teny Ampahibe. Nivoitra tamin’ity fihaonana ity fa efa nahazo tombony tamin’ny fampiofanana tany Torokia ny Tafika Malagasy. Nisongadina tamin’ny lahadiniky ny roa tonta nandritra ny fihaonana rahateo ny hanatsarana ny fifandraisana sy hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Torokia, indrindra ny fanohizana ny fifampizarana traikefa eo amin’ny sehatra ara-tafika. “Tsy vao izao fa efa nisy hatrany ny fanohanan’ny firenena Torokia ny Tafika Malagasy. Maro ireo Tafika Malagasy no efa nandranto fiofanana tany an-toerana izay midika fa vonona hifanome tanana amintsika izy ireo”, hoy ny fanazavan’ny MDN. Nohararaotin’ity manamboninahitra ity koa ny raharaha Ankatso. Nohitsiny fa tsy fanarahan-dalàna izany fiantsoana ny Tafika Rosiana ho avy eto amintsika izany.
Jean Claude