Mandeha ny famolavolana ny tetikasa Fly-over Anosizato. Ho raisin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny ampahany betsaka anjaran’ny fanjakana malagasy, ho setrin’ny fampiasam-bola avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Eo amin’ny sampanan-dalana RN 1 sy ny RN 58 A no hananganana io tetezana Fly-Over io.
Hampindram-bola ny Jirama ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Amin’ny alalan’ny Bon de trésor spéciaux, antsoina hoe BTS Jirama-4 no fomba hamoahana azy. Anisan’ny olana ara-bola tena sedrain’ny orinasa Jirama ny fividianana solika hampandehanana ireo milina mamokatra herinaratra.
Midina hatramin’ny 2 000Ar ny gonim-bary eny an-tsena nanomboka ny alakamisy teo. Manomboka marin-toerana ny vidiny taorian’ny fiakaran’ny vidin’ny vary nafarana. Handraisana fepetra hentitra kosa ireo mbola minia manao fanararaotana tsy ara-drariny eny an-tsena. Manara-maso ny fivoaran’ny vidin’entana isan’andro ny tomponandraikitra avy amin’ny minisitera voakasika.
Tantsaha mpamokatra voly vary jeby miisa 423 avy ao amin’ny kaominina Mahatsinjo, distrika Maevatanana nisitraka masomboly vary sy zezika avy amin’ny tetikasa PURPA. Nozaraina tamina kaominina efatra manao vary jeby ireo masomboly 5 t, zezika NPK milanja 8 460 t ary zezika organika 42 t.