Tontosa tao anaty hafaliana sy haravoana ny lanonana fanokafana ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11, omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina. Seho ara-javakanto isan-karazany no nentina nanokafana izany lanonana izany. Anisan’izany ny fihetsika mirindra sy ny seho an-tsehatra, izay samy nanehoana ny maha izy an’i Madagasikara. Tena nampitolagaga ny maro, nandritra iny lanonana fanokafana iny ny fampisehoana tamin’ny alalan’ny jiro maroloko. Malagasy mpahay kanto, mpihira, maro samihafa no nampifaly sy nanafana ny sehatra tamin’ izany. Seho nahasondrina ny mpijery no nandravaka ny lanonana fanokafana. Nanokatra izany ny an’ny mpitsoka mozikan’ny Tafika Malagasy. Nentina nandraisana ireo vahiny kosa ny hira “Manakory nareo” an’i Mika sy Davis, nitohy tamin’ny seho nataon’i Smaven, narahina dihy mirindra. Taorian’izay, nisy ny seho nampahafantarana an’i Madagasikara notontosain’ny ankizy malagasy, maherin’ny 1500, avy amina vondrona mpandihy sahala amin’ny Rindra Ramili, Vals&Laurence, Ankizy Akamasoa, GB Wild, M2Z Dance, Stand’Art, Ravo Raboanarisoa. Fihetsika mirindra sy dihy maro samihafa, nolaroina zavamaneno malagasy sy feonkira isan-karazany no nanomezan’ ireto ankizy ireto fahafinaretana ny mpijery tao Mahamasina. Nandravaka izany seho izany ihany koa ny fandraisan’anjaran-dRajery sy ny Bloco Malagasy. Nahafinaritra ny mpijery ihany koa ny nanehoan’ireo ankizy an-tsehatra ny tantaran’i Madagasikara. Tantara nanehoana ny fiainan’ ny Malagasy taloha sy nandritra ary taorian’ny fanjanahantany.
Teo ihany koa ny fanehoana ireo harena ara-kolontsaina maro avy amin’ny foko rehetra eto Madagasikara. Ankoatra izay, nanamarika iny lanonam-panokafana iny ny seho tamin’ny alalan’ny jiro maro samihafa, izay tena nandrasan’ny maro. Fampisehoana niarahana tamin’ny Malagasy mpahay kanto, mpihira, no namaranana ny lanonana.