Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Fiombonana, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny tranga niseho tetsy Mahamasina ny zoma hariva ka nahafatesana olona am-polony. “Miara-manaiky isika rehetra fa samy tomponandraikitra avokoa tamin’ny zava-nitranga ka noho izany, manameloka tanteraka ny tandrevaka sy ny tsy fandraisana andraikitra nahatonga ireny izahay”, hoy ny eo anivon’ity antoko ity. Notakin’izy ireo ny tokony hitandreman’ny tsirairay ary koa ny samy handraisan’ny rehetra andraikitra mba tsy hisehoan’ny tahaka ireny intsony, araka ny fanambarana hatrany.
Etsy andaniny, naneho fiaraha-miory tanteraka amin’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy ary nirary fahasitranana haingana ho an’ireo maratra koa ny antoko Fiombonana tamin’ izany fanambarana izany.
Tsiahivina fa anisan’ireo nanao sonia ny sata ho an’ny fitsipi-pitondran-tenan’ny antoko politika izy ireo. Nitaky kosa anefa ny tokony hisian’ny rafitra hanatanteraka “force exécutoire” ny voalaza ao anatin’izany.
Synèse R.