Mametraka fomba fiasa madio sy mangarahara mampandray andraikitra ny daholobe ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Ambatoboeny, Rakotonandrasana Jean Valerien. Isan-taona, mahatsangana fotodrafitrasa avy amin’ny volan’ny kaomina madiodio izy sy ny ekipany. Notokanana ny herinandro teo ny sekoly tao amin’ny fokontany Ankarambilo.
Raha itodihana ny zava-bita nandritra ny fe-potoam-piasany indroa nisesy, miroso mankany amin’ny fampandrosoana ny tanàna ny kaominina. Maro ireo fokontany manodidina nahazo fotodrafitrasa toy ny CSB ao Ankifatry, ny biraom-pokontany ao Betongoa. Nisitraka tsena koa ny ao Ambatoboeny tampon-tanàna sy ao Ankaraobato. Vita rarivato ny lalana ao Ankarambilo sy Ambohimarina.
Ho fanadiovana ny tanàna, nividy “mini tracteur avec remorque” hitaomana fako ny tomponandraiktra ary nanao toeram-pivoahana ho an’ny daholobe. Nividy jiro mandeha amin’ny herin ‘ny masoandro ny kaomina hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana.
Olana ny fanenjehana politika
Zava-dehibe koa ny fanaovana tatitra momba ny vola sy ny asa vita amin’ny vahoaka isaky ny enim-bolana. Lany tamin’ny tsy miankina Lemarijy ny ben’ny Tanàna, mbola mitoetra, noho izany, ho olana goavana ny fanenjehana politika, hoy ny fanazavany. Matetika izy no nandefasana mpiasan’ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) sy ny IGE, hatramin’ny fiatrehana ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC) aza.
Vonjy A.