Banky Iraisam-pirenena : tsy ho tratra ny tanjon’ny rano fisotro madio

Namoaka tatitra ny Banky Iraisam-pirenena. Aminy, tsy ho tratra ny tanjona napetraka ho an’ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) apetraky ny Firenena Mikam­bana mikasika ny rano fisotro madio. Raha ny antontanisa navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena, manodidina ny 1,6 mi­liara ny olona tsy manana rano fisotro madio hatramin’ny taona 2030. Miisa 2,8 miliara tsy manana toeram-pidiovana ary 1,9 miliara ny olona tsy ma­nana fitaovana fanasan-tanana.
Ho an’ny Banky Iraisam-pirenena, ilaina ny fampiasam-bola, ny fikarohana zava-baovao, ny fanomezam-baovao ary ny fametrahana rafitra mahomby, raha tiana ho tratra ny tanjona. Mila hamafisina, noho izany, ny ezaka. Nisy fivoriambe natao tany Stock­holm Soeda, ny 20 hatramin’ ny 24 aogositra teo, nandini­hina ny paikady tokony hahitsy.

220 tapitrisa dolara

Ho an’i Madagasikara, ma­hatratra 220 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ao anatin’ny Tetikasa fanatsarana ny fahazoana rano fisotro (PAAEP). Anisan’ny hatao laharam-pahamehana ny any amin’ny tapany atsimo. Ha­treto, ny 54,4%-n’ny Malagasy ihany no mahazo rano fisotro, ary ny 12,3% no manana fidiovana. Anisan’ireo firenena 76 andalam-pandrosoana vitsy ny mponina manana rano fisotro i Madagasikara.

Njaka A.

Partager sur: