Fahombiazana tanteraka ny azon’ny ekipa malagasy, taranja basikety, tao anatin’ny andro voalohan’ny fifanintsanana isam-bondrona, lalaon’ ny Nosy andiany faha-11.
Nibata fandresena avokoa ny ekipa lahy sy vavy, teo amin’ ny basikety lalaovin’olona 5. Ho an’ity taranja ity, izay notontosaina ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, nanao pao-droa ny Ankoay. Nanjakazaka tanteraka ny ekipa malagasy, vehivavy, notarihin’ny mpanazatra Razakanirina Prisca, nanoloana ny ekipan’i Maurice. Tany am-panombohana dia efa tsy nahita hirika ry zareo Maorisiana fa very tanteraka nanoloana an-dry Muriel sy ry Kristina. Tataka ny isa teny amin’ny solaitrabe. Isa 51 no ho 4 no nanamontsanan’ny Ankoay an’i Maurice, teo am-piafaran’ny ampaham-potoana faharoa. Mbola nitohy hatramin’ny farany ny herijikan’ ny ekipa malagasy, ka isa 92 no ho 17 no nisarahan’ny roa tonta. Teo amin’ny sokajy lehilahy, nanantombo teo am-piandohan’ny lalao nihaonana tamin’ny La Réunion ny ekipa malagasy. Somary nifandanja ny lalao teo amin’ny ampaham-potoana faharoa sy fahatelo, nanampy trotraka ihany koa ny tsy fahatomombanana teo amin’ny lafiny fitsarana ka nahazoan’ny Renioney tombony. Isa 56 no ho 46 no nisarahan’ny roa tonta, ka nivoaka ho mpandresy i Madagasikara. Hitohy anio alatsinainy 28 aogositra ny fifaninanana basikety 5×5.
Nanjaka koa ny Ankoay teo amin’ny 3×3
Mbola nitohy ny alahady ny fahombiazan’ny Ankoay. Fandresena 4 no azon’izy ireo, omaly, tetsy amin’ny kianja basikety Barea Mahamasina. Lalao voalohany natrehin’ny vehivavy Ankoay, ny fifandonana tamin’i Maurice izay nivoahan’izy ireo ho mpandresy tamin’ny isa 22 no ho 2. Isa 21 no ho 5 kosa ny nandavoan’ny lehilahy Ankoay ny ekipan’i Maurice. Mbola nitohy ny fandresen’ny Malagasy nanoloana ny Renioney.
Mi Raz