“Raha ny zava-misy eto amin’ny fiainam-pirenena, mila raiamandreny isika. Hatramin’ izao, rehefa misy zava-manahirana eto amin’ny firenena, indrindra korontana: ny FFKM hatrany no iantsampazana”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Faritany Antananarivo, ny depiote IRD voafidy tany Faratsiho, Rasolonjatovo Honoré. Koa rariny sy hitsiny raha ny fomba fijeriny sy ny fiheverany ny FFKM amin’io 29-31 aogositra io. Satria hisamboaravoara ny fiainam-pirenena. Ny raiamandreny FFKM no azo antoka indrindra hitondra fandaminana, fa mbola afa-mifampidinika ny eto Madagasikara. Amin’ny fotoana tena ilana azy ny fampihaonan’ny FFKM. Olona afa-mifampiresaka ny samy Malagasy, fa manana fitiavana filaminana.
Efa endrika iray azo lazaina fa tsy hikorontana ny mpanao politika malagasy ny fanaovan-tsonia ny satan’ny fitsipi-pitondran-tena. Raha izao ao anatin’ny fahasahiranana izao no mbola hisy korontana ny Malagasy, ho taraiky amin’ny fahantrana i Madagasikara. Izay indrindra no anton’ny satan’ny fitsipi-pitondran-tena: ny ilaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Izay filaminana izay no tokony hibahana. Mbola azo atao ny manatsara ny lisi-pifidianana, raha tena hita fa misy lesoka. Manakaikikaiky ny lesoka no nandrafetana azy. Raha hiverenana kely io, ka any amin’ny fokontany no homena andraikitra: hanampy aloha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana.
R. Nd.