Fanaterana dosie eny amin’ny HCC : tsy mbola nanatitra ny anto-bola i Annick Ratsiraka

Mbola miahiahy! Tafape­traka ny sabotsy teo ny an­ton­tan-taratasy filatsahan-kofidin’ ny kandidà Annick Ratsi­raka avy amin’ny Arema. Nisolo tena azy teny amin’ny HCC Ambo­hi­dahy ny Pr Ange Andriana­risoa. Nambaran’ izy ireo fa tsy nahitana olana ny fanangonana ny antotan-taratasy sy ny fanarahana ny pitsopitsony, takin’ny lalàna. Na izany aza, mbola an-dalam-pandinihana ny anto-bola 200 tap Ar ny kan­didà. “Nanapa-kevitra ny tsy mbola handro­tsaka izany ny Arema noho ny fanahiana ny tsy hisian’ny fifidianana”, hoy izy ireo.
Momba ny fikarakarana fifidianana kosa, nametraka ny ahiahiny izy ireo amin’ny tsy fahadiovan’ny fitantanana izany sy ny fisian’ny « Dou­blons ». Antony nanaovan’ny Arema sonia ny satan’ny fitsipi-pitondran-tenan’ny mpanao politika izany ho amin’ny fanajana ny filaminana sy ny fandriampahalemana mandritra sy aorian’ny fifidianana.
Etsy andaniny, efa vonona amin’ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra izy ireo na ny ho enti-manana na ny fitaovana. Efa zatra ady, nahavita nitsi­dika distrika miisa 92 izy ireo ary mbola hotohizana izany.
Araka izany, miisa roa izao ireo kandidà nanatitra ny ampahany amin’ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina filoham-pirenena: Ravaloma­nana Marc sy Ratsiraka Annick.

Synèse R.

Partager sur: