Faritra Sava : efa miomana amin’ny fambolen-kazo

Fotoana fanomanana ny taom-pambolen-kazo taona 2023-2024 izao. Ao anatin’izany ny fanombohana ny fambolena ny zanakazo. Natao ny 21 aogositra teo ny fanangonana ny voa nataon’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd) any Sava. Nanombohana azy ny fitangosana sy ny fanangonana ny voa acacia sy kininina.
Ankoatra izany, fotoana mampirongatra ny doro ala sy ny doro tanety izao, satria tapitra ny ririnina ary hiditra amin’ny vanim-potoana mafana sady maina. Nisy ny fidinana ifotony, nataon’ny mpiasan’ny Dredd Sava, niaraka tamin’ny prefektioran’i Sambava, ny 16 aogositra teo, tany amin’ny kaominina Morafeno, distrika Sambava. Nentanina ny vahoaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny hiadiana amin’ny afo. Anisan’ny notsindrina manokana ny fifehezana sy ny fanao­vana aro afo, satria maro ny tantsaha sy ny mpanao saribao tsy manao izany.
Hitohy any amin’ny kaominina hafa ity hetsika fanenta­nana ny mponina eny ifotony ity. Nitarika ny solontenam-panjakana ny prefen’i Sambava, Madina Francis Emlien Romly.

Njaka A.

Partager sur: