INDRAY MIJERY

Filoha mpitarika ny Seces sampana Anta­nanarivo. Mitaky fisaonam-pirenena manoloana ny famoizana aina maro, vokatry ny fifanosehana niseho, nandritra ny lanonana fisantarana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 teny Mahamasina izy ireo. Mirary fahasitranana ho an’ireo mbola mitsabo ary miara-miory amin’ireo namoy havana izy ireo.

Anio no hanapaka ny tohin’ny hetsika ny fitakiana ny Seces sampana Antananarivo. Ny fivoriana no tompon’ny teny farany na eo aza ny fangatahan’ny mpianatra mba hitohizan’ny fampianarana. Tsy nisy zavatra nataon’ny fitondrana tao anatin’ny dimy taona ho fanatsarana ny zo aman-kasin’ny mpampianatra mpikaroka, hoy ny fanazavana.

Ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana ka hahatratra 45km hatramin’ny 55km isan’ora. Vokatr’izany, misy ny fampitandremana amin’ny hamafin’ny rivotra. Mety hahatratra 4,5m ny haavon’ny onja nanomboka omaly tolakandro hatramin’ny alarobia ho avy izao.

Partager sur: