Mampiseho ny tanjany hatramin’izao ny atleta malagasy, miatrika ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Mitana ny laharana voalohany vonjimaika i Madagasikara, izay manana medaly 70.
Hiditra amin’ny andro faha-5 anio, ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tanterahina eto Madagasikara. Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy hatramin’izao, amin’ny ankapobeny. Medaly 70 be izao no efa eo an-
tanana, ahitana medaly volamena 42, medaly volafotsy 14 ary alimo 14. Ny taranja fibatana fonjamby no nandrombaka medaly betsaka indrindra, izay ahitana volamena 25, volafotsy 5 ary alimo 3. Randafiarison Rosina (-45kg) no nanokatra ny medaly, izay nahazo volamena 3 (75 kg Arraché, 90 kg Epaulé jeté, 165kg Total olympique).
« Record » ny ranomasimbe Indiana ny 90 kg voabatany teo amin’ny « épaulé jeté ». Nahazo volamena, torak’izany, koa i Lalaina Sabrinah teo amin’ny -49 kg (73 kg Arraché, 89 kg Epaulé jeté 162 kg total olympique).
Nitohy ny sabotsy hariva ny fahombiazana, ka nibata ny medaly volamena 3 avy ihany koa Andriatsitohaina Eric (107 kg Arraché, 145 kg Epaulé jeté, 252 kg total Olympique) sy Elariont Ricardo -55 kg (102 KG Arraché, 135 kg Epaulé jeté, 237 total Olympique). Nahazo medaly volafotsy 2 sy alimo iray kosa i Tiavina Fabia (45 kg) ary medaly volafotsy iray sy alimo 2 ho an’i Fitiavantsoa (-55 kg). Omaly alahady kosa, nandrombaka medaly 12 indray i Madagasikara, tamin’ny alalan’i Sarikaniaina sy i Angeline Sarah izay samy nahazo « record» ary Andriatsitohaina Tojonirina, nahavita nibata 183 kg « épaulé jeté » sy Andriamahefa Jules Anthonio. Nahazo medaly volamena iray,volafotsy 1 ary alimo iray i Vania ary alimo roa i Sitraka.
Lomano
Teo amin’ny taranja lomano, medaly volamena roa tamin’ny alalan-dRaharvel Jonathan no azon’ny Malagasy, teo amin’ny sokajy 50 m brasse sy 100 m brasse. Nahazo medaly alimo kosa i Holy Antsa (50 m pap) sy i Finaritra (100m brasse) ary medaly volafotsy ho an’i Fanovosoa (Paralympique).
Anisan’ny nandrombaka maro koa ny taekwondo izay nahazo medaly volamena 11, volafotsy 4 ary alimo 1. Judo Medaly volamena tokana azon-dRasoanaivo Laura (-70 kg no azon’ny Malagasy teo amin’ny taranja Judo, omaly. Izany hoe, 4 hatramin’izao ny volamena, 6 volafotsy ary
8 ny alimo ho an’ny taranja Judo, raha natambatra tamin’ ny medaly azo ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Anisan’ny nanome medaly volamena iray ho an’i Madagasikara ihany koa omaly, ny taranja tenisy ambony latabatra, teo amin’ny fifaninanana isan-tarika, sokajy lehilahy.