Namoizana ain’olona indray ny lalam-pirenena fahefatra, omaly maraina. Kamiao lehibe roa nifandona . Vokany, namoy ny ainy ny mpamily iray, 53 taona.
Nifampisokirina tao anatin’ny kamiao nentiny, ny fatin’ny mpamily iray niharan-doza teo amin’ny RN4, PK 202+500, fokontany Manjaka Avaradrano, kaominina Mahatsinjo, Distrika Maevatanana, omaly maraina. Niala an’Antananarivo nikasa hihazo an’Ankify Ambanja io kamiaobe io. Nisy olana tampoka teo amin’ny hisatra anefa ny fiara. Nifanena tamin’ny kamiao iray an-dalana hihazo an’Antananarivo. Nifandona teo no ho eo ny fiara roa, izay voalaza fa samy nandeha mafy. Potika tanteraka ny lohan’ireo kamiao, nivadika teo amin’ny arabe. Nifamonjen’ny nanatri-maso navoaka ireo mpamily tra-doza sy ny mpanampy azy ireo. Potsitra tao anatin’ny kamiao nentiny anefa ny raim-pianakaviana iray 53 taona.
Naratra mafy ny mpandeha roa, lasibatra tamin’ity lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny RN4 ity. Voa mafy teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray. Nentina nihazo an’Antananarivo izy ireo. Efa manaraka fitsaboana. Niezaka nanala ireo kamiao roa lehibe nibahana ny lalam-pirenana kosa ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Mandray an-tanana ny famotorana ny polisy ao Maevatanana.
Tsiferana R.