Nafenina tanaty gony : basy kalachnikov sy basim-borona roa hitan’ny zandary

Basy kalachnikov iray niaraka tamin’ny basim-borona roa no hita nofonosina tao anaty gony ary nafenina anaty lavaka tao Tsipan­galava fokontany Miadam­paonina, kaominina amba­nivohitr’Ambandrika, afakomaly. Nahitana fitaovan-dakozia toy ny sotro sy vilia ary vilany nofehezina anaty lamba koa niaraka tamin’ireo fitaovam-pidiana ireo. Fan­tatra, araka ny fanazavan’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Ambatondrazaka, fa basy fampiasan’ny dahalo rehefa maka an-keriny sy manao fanafihana ireto fitaovam-pidiana mahery vaika ireto. Taorian’ny fahatrarana dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny ao anatin’ny dis­trikan’Ambatondrazaka sy Amparafaravola dia nahavelombolo ny mponina ao an-toerana indray ny vokatra azon’ny tobim-paritra Amba­ton­drazaka. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny zandary amin’ireo dahalo heverina ho nitondra ireto fitaovam-pidiana ireto.

Jean Claude

Partager sur: