Seho an-tsehatry ny tanora: niara-nankafy ny “Bodu Beru” ny rehetra

Tontosa omaly, teny amin’ ny Arena Ivandry, ny andro fa­haroan’ny « Volet Jeu­nesse », na ny seho an-tsehatry ny tanora, mandritra ity lalaon’ny Nosy andiany fahatelo ity. Nisy ny seho an-tsehatra manokana nataon’ny tanora avy ao amin’ny Nosy Maldives, anisan’ny nampahafantarin’ izy ireo tamin’izany ny “Bodu Beru”. Ankoatra izay, nisy ny fampahafantarana ireo tanora rehetra mandray anjara amin’ ity sehatra ho an’ny tanora ity. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ity sehatra ho an’ny tanora ity. Nohamafisin’ ny minisitry ny Fanatanjahan­tena, nandritra ny fandraisam-pitenenany, fa fampiraisana ny tanora, sy fifanakalozana eo amin’izy ireo ny « Volet jeunesse » fa tsy fifaninanana.
Tahaka ny taranja ara-pana­tanjahantena rehetra. Efa ma­nomboka ihany koa ny seho an-tsehatry ny tanora, ao anatin’ ity lalaon’ny Nosy ity. Ny “Bodu Beru”, dihy avy any Mal­dives no anisan’ny nentin’izy ireo tamin’izany. Mbola faheno any Maldives, rehefa misy fety ity karazana dihy ity. Nandritra ny seho an-tsehatra ihany koa ny nampahafanta­ran’izy ireo ny tantaran’ny nosiny sy ny fiaviny.
Araka ny fandaminan’ny mpikarakara, manaraka ny filaharan’ny abidy ny fiakaran’ ireo mpandray anjara ny sehatra. Ny avy ao amin’ny Nosy Maldives, araka izany, no nanokatra ny sehatra, ary ny Malagasy no hamarana azy. Tonga nanatrika ny andro faharoa sy ny fanokafana Rajoelina Mialy, vadin’ny filoham-pirenena, niaraka tamin’i Resampa André Haja, mini­sitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ary Rakotondra­zafy Lalatiana, minisitry ny Sera­sera sy ny kolontsaina.

Partager sur: