Tontosa ny faran’ny herinandro, tao amin’ny Alliance française d’Antsiranana, ny fifaninanana nifantenana ny solontenan’Antsiranana, amin’ ny « Slam nationale 14 ». Big Stone sy Konahy Junior, no voafidy tamin’izany. Hifaninana amin’ny fifaninanana olon-tokana sy hitondra ny anaran’Antsiranana, araka izany, izy ireo amin’ny fifanitsanana isan-tanàna. Nafana ary fampisehoana feno no natolotry ny mpikarakara sy ny mpandray anjara ho an’ny mpijery. Afa-po ihany koa ny rehetra ary nitsodrano ireto voafidy hisolo tena azy ireto amin’ny fifaninanana nasionaly.
Nanodidina ny adim-pamataranandro roa ny faharetan’ ny fifaninanana ho an’ny mpiangaly Slam tao Antsiranana, mivondrona ao anatin’ny Slam’Suaré. Nahatratra valo ny mpifaninana ho azy ireo. Nanana ny lentany ny fifaninana ary niteraka fahafinaretana ho an’ny mpanatrika sy mpanohana. Samy naneho ny naha izy azy izy valo mianadahy nandray anjara, fa i Big Stone sy Konahy Junior no nahazo ny naoty ambony indrindra.
Miisa 14, araka izany, ny mpandray anjara amin’ny “Slam nationale 14” hatreto no efa fantatra. Ny solontenan’ Antananarivo ihany no mbola andrasana. Ny fifaninanana ho an’ny eto Antananarivo, izay ho tanterahina ny 2 septambra 2023, ao amin’ny IFM Analakely.
Lin