Nandresy an’i La Réunion tamin’ny seta 3 no ho 1 i Madagasikara, ho an’ny taranja volley-ball, sokajy vehivavy. Afa-bela izany ny Malagasy, izay resin’i La Réunion teo amin’ny famaranana, nandritry ny lalaon’ ny Nosy 2019 natao tany Maurice.
Tsy tafiditra tao anatin’ireo telo voalohany mahazo medaly ny Malagasy teo amin’ny hazakazaka am-bisiklety, ho an’ny isan-tarika lehilahy. Lasan’ny Nosy Maurice ny volamena raha toa ka i La Réunion no nandrombaka ny volafotsy sy alimo. Marihina fa nianjera ny Malagasy mpanamory nandritra ny fifaninanana.
Lavon’ilay Maorisianina, i Christopher, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6,4 / 6,2) Rakotomalala Romeo, teo amin’ny fihodinana faharoa ho an’olon-tokana lehilahy, taranja Tenisy. Lalao notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny ACSA Ambohidahy.
Diso lalana ireo bemoton’ny polisy, omaly teny amin’ny rocade, nandritra ny hazakazaka am-bisiklety, ka lasa taorian’ireo mpihazakazaka indray ry zalahy. Niteraka fanelingelenana teo amin’ny fifamoivoizana izany ka nampaneno «klaxon», ireo mpampiasa lalana.