Taekwondo : medaly volamena 11 ny azon’i Madagasikara

Notanterahina ny sabotsy sy omaly alahady, tetsy Maha­masina, ny famaranana ny lalao ho an’ny taranja taekwondo, amin’ity lalaon’ny Nosy 2023, andiany faha-11 ity. Miisa 16 ny medaly norombahin’ireo atleta malagasy, ka volamena ny 11, 4 ny volafo­tsy ary 1 ny alimo. Nafana tanteraka ny famaranana rehetra natao teny an-toerana.

Anisan’ireo nisongadina ny fampisehoana nataon’i Jordan Kan, Malagasy mpi­katroka taekwondo, sokajy “senior” (– 87 kilao). Nahazo isa 25 ny lehilahy teo amin’ny fifanandrinana voalohany “round 1”, rehefa nifanandrina tamin’i Ahmed Fazeel, avy any Maldives. Nahazo 23 isa i Jordan teo amin’ ny “round 2”.
Marihina fa hanomboka anio eny an-toerana ny fihe­tsika mirindra “Poomse” izay atao isakin’ny sokajin-taona.

Ireo mpikatroka nahazo medaly volamena :
Lehilahy :
Randrianalison Mialisata Michou (-74 kg)
Mampionona Njakarimanana Nerson (- 54 kg)
Kan Jordan (- 87 kg)
Toandro Lai Stanley (-63 kg)
Razakarisoa Jarry ( -58 kg)
Mananarivotsiv’hery (-80 kg)
Randriantsoa Ny Ando (+ 87 kg)

Vehivavy :
Ratsitohara Tarah (-49 kg)
Razafiarimanana Claudine
(-57 kg)
Andrianina Mihaja (+73 kg)
Randriamizaka Fenitra (-53 kg)

Ireo mpikatroka nahazo medaly volafotsy :
Vehivavy :
Rakotoanosy Sahondra (-67 kg)
Ravoson Gracia Antsaniaina
(-46 kg)
Razafindrabe Florentine (-62 kg)
Voahanginirina Mamitiana Estelle (-73 kg)

Ny mpikatroka nahazo
medaly alimo :
Lehilahy :
Steve Harivony Rakotobe
(-68 kg)

Partager sur: