TARATRY ny KANTO

Manomboka manina ny zavakantony ny Malagasy monina any ivelany. Na tsy misy aza ny mpikarakara fampisehoana, ireo Malagasy any an-toerana mihitsy no mivondrona ka miantso ireo mpanakanto mihira kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly. Tsy sehatra goavana no hanatanterahina ilay seho, fa na izany aza, ilay hanina ny an’ny tena no hita misongadina.

Tsy mbola tafapetraka mazava ny rafitra hoenti-mampivelatra ny asa tanana manana endrika kolon­tsaina. Mbola itambesarana olana goavana ny mpanao asa tanana. Iray amin’ireny ny fisian’ny mpanelanelana maro tsy voafehin’ny lalàna. Dimy na enina ny isan’izy ireo vao tonga eny an-tanan’ny mpanjifa ny asa tanana iray.

Mbola menatra sy matahotra ny haneho ny maha izy azy ny ankamaroan’ny Malagasy. Anisan’ny an­tony nahatonga izany ny fitaizana napetraky ny mpanjanaka. Zary lasa fomba izy ireny ka sarotra amin’ny Malagasy ny hanohitra azy. Na napetraky ny Malagasy ho fanaja aza ny raiamandreny, sadaikatra amin’ny fanajana azy ireny ny tanora be voninahitra !

Tontolon’ny Hira Gasy. Nodimandry, omaly, ny filohan’ny fikambanan’ny mpanao Hira gasy, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Zoky Pety. Araky ny vaovao, anio no ho tonga eto Antananarivo ny vatana mangatsiakan’ity andrarezin’ny Hira Gasy ity.

Partager sur: