“Handray anjara mavitrika amin’io fikaonandoha momba ny raharaham-pirenena karakarain’ny FFKM io izahay, ary manan-javatra hoentina amin’izany. Eo hatrany ny amin’ny fanadiovana tokotany izay tsy azo ialana, indrindra ny mialoha ny fifidianana”, hoy Rakotovazaha Olivier, avy amin’ny vondrona Panorama sady filoha nasionalin’ny antoko MFM, ny amin’ny mety hisian’ny fandaminana mialoha ny fifidianana aorian’ny fiantsoan’ny FFKM foibe ny hery velona hifampidinika momba ny raharaham-pirenena, izay hatao eny Andoharanofotsy, ny 29-31 aogositra ho avy izao.
Karazana vahaolana efa napetraky ry zareo mialoha amin’ izany ny fametrahana ny ”Gouvernement d’entente nationale intermédiaire pour les institutions et les élections stables” (Geniies). Izay no antoka mba tsy hisian’ny fifandonana eto amin’ny firenena, ary hisian’ny fifandimbiasam-pahefana milamina. Lalàna no havoaka amin’izany. Tsy maintsy mandalo amin’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona izany. Azo atao ny manao fivoriana tsy ara-potoana, raha mandeha tsara ny adihevitra.
R. Nd.