WWF: manana ny lanjany amin’ny fiarovana ny tontolo mananaina ny tanora

Manome vahana ny tanora malagasy ny WWF, amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-mananaina. Tohanana izy ireo, mba hanana fahaiza-mitarika eo amin’ny fiarahamonina.

Araka ny antontanisa na­voakan’ny rafitry ny Fi­renena Mikambana mi­sahana ny mponina (UNFPA), latsaky ny 25 taona ny 2/3-n’ ny Malagasy (64%). Latsaky ny 15 taona ny antsasaky ny mponina (47%). Tokony ho fanoitra hitondra fampandrosoana ny fisian’ireo.

Manome lanja manokana ny tanora, noho izany, ny fi­kambanana iraisam-pirenena miaro ny tontolo iainana, ny WWF Madagasikara. Tanjona ny hahafahan’izy ireo manome vaovao, manabe ary manen­tana ny mpiara-belona hiarovana ny tontolo mananaina tsy misy afa-tsy eto Madagasi­kara. Hanentana ny tanora toa azy ireo, mba ho hitarika amin’ ny fanovana. Eo koa ny fanomezan-danja ny fandraisana anjara, ny fahaiza-mihaino ary ny fahavononan’ny tanora handray andraikitra mba hi­sian’ny fiarovana ny tontolo iainana maharitra.

Araka ny WWF, maro anefa ny ezaka mila hatao hana­tanterahana ireo. Tsy ampy ny fari-pahalalana amin’ ny fanabeazana, ny fandrai­sana fanapahan-kevitra, ny traikefa sy ny maha matihanina, sns. Eo koa ny fahantran’ny mponina eny ifotony sy ny firenena.
Fiofanana tany Toliara

Manoloana ireo, nanapa-kevitra ny WWF Madagasikara hampiofana ny tanora amin’ny alalan’ny tetikasa “WWF Youth Community”. Manohana azy ny WWF any Soisa, ahafa­han’ny tanora mivelon-tena, ho afaka miasa maharitra, mifampizara amin’ny mpiara-monina. Nisantarana izany ny tontolo an-tanety sy an-dranomasina Mahafaly, any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Na­nomboka tamin’ny 27 hatra­min’ny 30 avrily 2023 tany Toliara ny fiofanana ho an’ny tanora miisa 10.
Maromaro ny lohahevitra noraisina, toy ny fomba fanovana ny toe-tsaina, ny fijery, ny kolontsaina, ny fandraisana fanapahan-kevitra, ny fitan­tanana, ny fanabeazana, ny fikarohana zava-baovao, ny fampiasana sy ny fampivela­rana ny talenta, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: