Ambohimalaza : mpangalatra moto tratra tao anaty alan-goavy

Noraisim-potsiny tao anaty alan-goavy ny jiolahy nan­galatra moto tao Anta­hikihady/Fidanana, Ambohi­malaza, ny sabotsy lasa teo. Natosiny mangingina ny moto marika Kymco iray tao amin’ny Escale Ambohimalaza nanamorona ny lalam-pirenana faharoa. Nanao fitarainana ny tompon’entana. Nikaroka avy hatrany ny mpitandro filaminana. Hitan’ny tsara sitrapo io lehilahy izay nanosika ilay moto halatra io. Nanampy ny zandary ny fokonolona. Nanao akanjo mazava alina io mpangalatra io ka tazan’ny mpanara-dia avy lavitra. Natsipiny ny moto. Nirifatra nandositra ary niafina tao anaty kirihitra goavy izy. Nihevitra ho tsy nisy hahita kinanjo noraisim-potsiny io lehilahy io. Naverina tamin’ny tompony ny moto. Efa fanaony ny mijanona eny amin’ny toerana betsaka moto ka jereny izay tsy mihidy ny lohany.

Tsiferana R.

Partager sur: