Nahazo fampitaovana avy amin’ny fitondram-panjakana ny any amin’ny distrikan’Ankazobe. Tafiditra amin’ny fampandrosoana ny eny ifotony sy manakaiky vahoaka izany.
Nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy moto avy amin’ny faritra Analamanga ny kaominina miisa 15 ao amin’ny distrikan’Ankazobe. Midina ifotony mitondra fampandrosoana no tarigetran’ny fitondram-panjakana, araka ny nambaran’ireo nandaha-teny rehetra. Tanjona amin’ny fampitaovana ny ahafahana manatanteraka ny asa, indrindra any amin’reo toerana ambanivohitra. Nanolotra jiro ho fanazavana ny tanàna koa ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Tonga nanolotra izany tany an-toerana ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, sy ny mpanolotsaina teknikan’ny fiadidiana ny Repoblika. Nisitraka ny fanomezana ny any amin’ny kaominina Tsaramasoandro, Kiangara, Ankazobe, Fihaonana, Talata Angavo, Fiadanana, Mangasoavina, Antotohazo, Maromby, Ambolotarakely, Antakavanasy ny maro hafa. Avy amin’ny fitondram-panjakana ireo fitaovana natolotra ireo ary entina hitondrana fampandrosoana eny ifotony. Ahafahan’ny ben’ny Tanàna mijery ny zava-misy ary mamaha avy hatrany ny olana ireo moto. Hanazavana ny tanàna, hitondrana fandriampahalemana eny anivon’ny fokontany kosa ireo jiro. Misy amin’ireo kaominina any ambanivohitra no tena miaina anaty haizina sy anjakan’ny tsy fandriampahalemana ka tombony lehibe ny fahatongavan’ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro tahaka izao any amin’iny faritra iny.
Tatiana A.