Antoko Marina : “Mbola tsara kokoa ny kolontsaina malagasy”

Manana fomba fitondrana tsara lavitra noho ny an’ny vahiny ny Malagasy, ary tena nahomby ny fampiharana izany fahiny, araka ny nambaran-dRanaivoson Désiré, filohan’ny antoko Marina na Ma­napa-kevitra iombonana ho an’ny fampandrosoana. Nijoro nanomboka ny taona 2015 ny antoko saingy somary nangina noho ny fandaminana anatiny sy ny zava-misy teto amin’ny firenena. Ainga vao kosa no hoentiny ho an’ny firenena ao anatin’izao fiverenany izao, raha ny voalazan’ny filohan’ny Antoko.
Antoko politika nanana rafitra nanerana an’i Madaga­sikara ity Antoko ity, ary efa nandray anjara tamin’ny fifidianana natao ny taona 2018 sy ny fifidianana loholona ny taona 2015, teto amin’ny faritanin’Antananarivo. Fiarahana manapa-kevitra sy ny demokrasian’ny fandraisan’anjara no fotokevitra voiziny. “Tsy ampy ny fametrahana olom-boafidy fa tokony hampandraisina anjara amin’ny raharaham-pirenena ny olom-pirenena”, hoy ny filohan’ny antoko Marina. Ny fiverenana amin’ny soatoavina sy ny kolontsaim-pitondran-tena malagasy no hitondrana ny firenena. Efa nisy izany fanjakana tsara tantana izany teto Madagasikara saingy narian­tsika sy natakalontsika ny an’ny vahiny.
Antoka lehibe hampahomby ny fitantanana ny firenena ihany koa ny fampiharana ny tena fihavanana sy ny firaisan-kina. Fifanarahana hifaneken’ny fiarahamonina ny fihavanana ka izay tsy manaraka izany dia voahilika tsy ho isan’ny fiarahamonina, araka ny nambaran-dRanaivoson Désiré.

Lin

Partager sur: