Atletisma: hiatrika famaranana avy hatrany i Nanie

Hanomboka anio ny fifaninanana eo amin’ny taranja atletisma. Eny amin’ny kianja Alarobia, no hanatontosana izany. Hisantatra ny fihaonana ny famaranana eo amin’ny halavirana 10 000 m, sokajy vehivavy. Manana solontena telo mirahavavy ny Malagasy, amin’ity. Anisan’izany, i Em­ma, tompondakan’i Madaga­sikara farany, miampy an’i Chantal sy i Oliva. Raha tsiahivina, efa nandray anjara tamin’ity halavirana ity i Oliva, nandritra ny lalaon’ny Nosy, natao tany Maorisy, ny taona 2019. Faharoa ny tovovavy tamin’izany ary nahazo ny medaly volafotsy. Hanala vela izany ny tovovavy amin’ity, ary heverina fa hanana tombony satria eto amin’ny kianja filalaovany no hanatontosana ny hazakazaka. Izao kosa vao hiatrika izany i Emma sy i Oliva. Heverin’ny rehetra fa mety ho lasan’ny Malagasy ny toerana roa voalohany raha tsy izy telo mihitsy. Ankoatra izay, mbola fifanintsanana avokoa ny an’ireo “épreuve” sasany.
Tsiahivina fa mahatratra 48 ny isan’ny medaly hiadiana amin’ny atletisma. Taranja anisan’ny handrombahan’ny Malagasy medaly volamena betsaka ihany koa ny atletisma, hatramin’izay nisian’ny lalaon’ny Nosy, ka inoana fa mbola hitoetra izany, amin’ity.

Partager sur: